CHAN 2025

Tafita amin’ny dingana famaranana ny Barea


  • Alatsinainy 30 Desambra 2024

Tafita any amin’ny dingana famaranan’ny CHAN 2025 ny ekipam-pirenena Malagasy

eo amin’ny Baolina kitra na ny Barea CHAN na dia niondrika tamin’ny isa 1-0 nanoloana an’i Ewatini aza omaly 29 desambra 2024 tatsy amin’ny Kianjan’i Cote d'Or National Sports Complex tatsy amin’ny Nosy Maorisy. Hatao ny 1 hatramin'ny 28 febroary 2025 izao, izay atao any Kenya, Ouganda ary Tanzanie ny dingana famaranan’ny CHAN. Azo lazaina ho niady ny lalao, saingy ny mpifanandrina no nanokatra ny isa voalohany efa tany amin’ny faha-85 minitra. Tombony ho antsika anefa ny fandresena 2-0 tamin’ny lalao mandroso natao tany Afrika Atsimo satria tsy manana kianja nahazo fankatoavana ihany koa i Eswatini. Hita taratra ihany ny lesoka sy tsirambina ho antsika any amin’ny minitra faramparany, saingy ny zava-dehibe aloha dia tafakatra. Mpilalao isan’ny niavaka indrindra sy nitondra antsika any amin’ny Dingana famaranan’ny CHAN fanindroany eo amin’ny tantara i Nina, izay tena nanavotra baolina efa noheverina fa ho maty. Totoafo ny fanafihana ho an’ny mpifanandrina tamintsika, ary nisy mihitsy aza ny baolina saika maty teo amin’ny faha-89 minitra, saingy avotr’io mpiandry harato Malagasy io. Mbola nisy baolina tsara dia tsara ihany koa teo amin’ny minitra fahatelon’ny ora fanampiny, saingy toy ny nanidina i Nina nanavotra izany ho « corner »,… Mba aim-bao ho an’ny kitra Malagasy izay tena marary indray aloha iny dingana vita iny, ary irariana mba ho santatry ny fandresena ho avy ihany iny.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT