CHAN 2025

Nanakana baolina betsaka indrindra tsy hiditra anaty harato i Toldo


  • Alatsinainy 25 Aogositra 2025

Mizotra amin’ny famiratana manokana hatrany ny mpiandry tsatobin’ny ekipam-pirenena

malagasin’ny baolina kitra na Barea, Michel Ramandimbisoa na Toldo, ao anatin’izao fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika na CHAN 2025 izao. Nanakana baolina betsaka indrindra tsy hiditra anaty harato i Toldo hatreto. Miisa 20 izay tifitra voasakany izay, raha ny fanisàna voaray. Mpiandry tsatoby nahasakana baolina betsaka tao anaty faritra tsy azo ivalozana ihany koa izy. Nahavita izany in-11 izy. In-3 nosalorana ny amboara maha mpilalao mendrika indrindra tanatina lalao izy ary na ilay fihaonana tamin’ny ekipan’i Kenya nandritry ny ¼-dalana farany teo aza dia mbola niteraka adihevitra be hoe tokony ho lasany koa ny amboara tao anatin’iny lalao iny rehefa iverenana jerena ny lalao manontolo na tao anatin’ny 120 minitra io na tao anatin’ny tsotsoromamba na «Tirs au but». Efa 39 taona moa ankehitriny ity mpiandry tsatoby malagasy ity kanefa dia tena mbola kinga sy izao mampiaiky an’i Afrika iraimanontolo izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT