Ady sahala 0-0, io no nisaharan’ny Barean’i Madagasikara sy ny Mourabitounes
ekipam-pirenen’i Mauritanie omaly, tao anatin’ny andro voalohan’ny CHAN 2025 any Tanzanie. Azo lazaina ho lalao niady, ary isika aza no tokony ho nanatombo sy nandresy, saingy lesoka ny karatra mena azon’ny kapiteny Dax vao teo amin’ny minitra faha-39. Nilalao 10 tao anatin’ny 50 minitra isika, ka tsy maintsy niezaka niaro tena, kanefa mbola nahita fanafihana tsara maromaro ihany koa. Mbola isika aza no nahita fanafihana tsara indrindra na « grosse occasion » iray, ary nisy baolina matintsika tany amin’ny faha-85 minitra fa nolavin’ny mpitsara ho « hors jeux ». Isan’ny lesoka ny karatra mena azon’i Dax izay somary nahery setra tamin’ny fiarovan-tena teny ambony kianja. Izy no isan’ny andry tamin’ny fandravana ny fanafihan’ny mpifanandrina, ary nandrindra sy nizara baolina tamin’ny fanafihantsika. Vokatry ny fahabangana, nanatombo tamin’ny fitazonam-baolina ny mpifanandrina (37%-63%), nanatombo tamin’ny tifitra (8-11), nahavita sakana 4 tsara kosa i Toldo. Azo lazaina ho nifandanja ihany ny lalao na nilalao 10 aza isika, ary irariana mba hahazo fandresena amin’ny lalao manaraka izay hifanandrinana amin’i Tanzanie ny sabotsy 09 aogositra izao ao anatin’ny Vondrona B, Centrafrique ny 13 aogositra, ary Burkina Faso ny 16 aogositra. Hatreto, mitana ny laharana voalohany i Tanzanie izay nandresy 2-0 an’i Burkina Faso ka manana isa 3, raha faharoa isika manana isa 1 ary fahatelo i Mauritanie manana isa 1 ihany koa, arahin’i Centrafrique izay mbola tsy niakatra kianja omaly, raha farany kosa i Burkina Faso izay resy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.