Ny ekipam-pirenena Soudanaise no hifandona amin'ny Barean'i Madagasikara
amin’ny manasa-dalan'ny CHAN (Championnat d’Afrique des Nations), rahampitso talata 26 aogositra 2025 amin'ny 5ora sy sasany, ao amin'ny Benjaamin Mkap Stadium ao Dar Es Salaam Tanzanie. Resin-dry tamin'ny tir au but 4-2 ny Alzerianina ny takarivan'ny sabotsy teo, rehefa nisaraka ady sahala (1-1) nandritra ny fotoana ara-dalàna sy fanalavam-potoana. Tsikaritra ho manam-batana, manao baolina angovo sy rodorodo be ny Soudanais, fa manana rindran-dalao tena mipetrapetraka ihany koa eny ambony kianja. Tombony ho antsika ny fananana fotoana lavalava kokoa nakana aina sy nanomanana, fa tsiahivina ihany koa fa efa resintsika 3-0 izy ireo tamin'ny andiany faran'ny CHAN. Azo resena tsara izy mazava ho azy na nivoatra be aza, fa mila miomana amin'ny lafiny rehetra sy manarina ireo lesoka isika. Amin’ny manasa-dalana faharoa, hifandona amin’i Marôka ny Sénégal, tompondaka tamin’ny CHAN 2023, taorian’ny fandreseny an’i Ouganda (1-0). Ny Barea tarihan’i Roro Rakotondrabe, izay nahazo ny laharana fahatelo tamin’ny CHAN farany tany Alzeria, dia manantena ny hahatratra dingana ambony kokoa amin’ity indray mitoraka ity. Raraka avokoa ny mpampiantrano 3 dia i Kenya lavontsika, Tanzanie resin’i Maror, Ouganda nararak’i Sénégal. Fantatry ny rehetra ihany koa anefa fa tsy hisy lalao mora amin’izao dingana izao: samy manana tanjona sy fahavononana hanoratra tantara vaovao, fa irariana ny hahombiazantsika. Ny mpandresy amin’ity CHAN 2025 ity dia hahazo 3.5 tapitrisa dolara (~16,5 miliara Ariary), izay mitombo 75% raha oharina amin’ny andiany farany. Ny totalin’ny vola hozaraina amin’ny ekipa rehetra dia tafakatra $10.4 tapitrisa (~49 miliara Ariary), manamafy ny finiavana hanatsara ny fifaninanana sy hanome lanja ny mpilalao aty Afrika milalao ao ao amin'ny taniny. Efa mipetrapetraka aloha hatreto ny 600 000 dolara na 2,6 miliara Ar ho an'ny an'ny Barea. Nisy moa ny fampahafantarana nataon'ny FMF taorian'ny filazan'i Faneva Ima fa hanolotra fitaovana izay misy efa voavidiny, ary misy nanaovany antso avo, fa efa nivonona tamin'ny zavatra rehetra amin'ity fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'ny ny CHAN 2024 ity ny Federasionina. Anisan'izany ny fitaovana ampiasaina amin'ny"récupération",-n'ny mpilalao, ary efa nampiasaina avokoa izany, nahatongavantsika amin'izao dingana izao, fa isaorana ihany i Andriatsima Faneva Ima amin'ny finiavany. Tokony hiady varotra 40% amin'ny Prize money an'ny Barea ary ve izany ny FMF? Tokony hiadian-kevitra be ve hoe: mila averina sy esorina amin'io aloha ny fandaniana rehetra kanefa tokony ho adidin'ny FMF sy ny Fanjakana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.