CHAN 2024

Niakatra ny vola iadivana, niantso mpilalao 11 hotsapaina ny Barea


  • Alakamisy 09 Janoary 2025

Nampiakarin’ny CAF hatrany amin'ny 10,5 tapitrisa dolara Amerikanina ny vola atontona

amin'ny fankasitrahana na Prize Money ho an'ny CHAN 2024, nisy fiakarana 32%. Niakatra ho 3,5 tapitrisa dolara na 16,5 miliara Ar eo ny an'ny voalohany, izay nisy fitomboana 75%. 2 tapitrisa dolara io teo aloha, ka i Sénégal no nibata ny amboara tamin’ny 2022 tany Algérie. Io andianiny nobatain’i Sénégal io ihany koa no nandraisantsika anjara voalohany, ka nibatantsika ny laharana fahatelo, nahazoana 500 000 dolara, saingy niaraha-naheno ny disadisa teo amin’ny mpilalao sy ny mpitantana tamin’izany. Tanzania, Ouganda, ary Kenya ny 1-28 febroary 2025 izao moa no hanatanterahana ity dingana famaranan’ny CHAN 2024 ity. Mety hiakatra kokoa ny lentan’ny fifaninana amin’ity, ka mila miezaka sy tena manomana fatratra i Madagasikara, izay mila manatsara ny toerana azo 2 taona lasa. Niantso mpilalao miisa 11 vaovao ny mpanazatra'ny Barea. Lohalaharana sy irakirika ny ankamaroan'ireo mpilalao nantsoina, ka anisan’ny voaantso ao anatin’izany i Tsilavina Drogba izay nanao olana tamin’ny mpanazatra Romuald Rakotondrandrabe nialohan’ny niatrehana ny CHAN 2022. Misy ihany anefa ny vodilaharana sy mpiandry tsatokazo. Hotiliana amin'ny lalao fitsapana roa hataon'ny Barea eto an-tanindrazana ireo mpilalao vaovao ireo sy ireo 25 nihaona tamin'i Eswatini. Aorian'izay vao hivoaka ny anaran'ireo mpilalao 25 hiaro ny voninahi-pirenena any amin'ny CHAN 2024, raha ny fanamarihana.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT