CHAN 2024

Nahemotra amin’ny aogositra noho ny olana teknika


  • Alarobia 15 Janoary 2025

Nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny CAF (Confederation Africaine de Football) omaly 14 janoary 2025,

fa mihemotra amin’ny volana aogositra 2025 ny dingana famaranan’ny CHAN 2024 (Championnat d'Afrique des Nations) voafaritra teo aloha fa hatao any Kenya, Tanzanie, Ouganda ny volana febroary izao. Nambara fa efa nisy fivoarana lehibe tsikaritra tany Kenya, Tanzanie ary Ouganda, tamin'ny fananganana sy fanavaozana ny kianja, ny toerana fanaovan-tsaina, ny trano fandraisam-bahiny, ny hopitaly ary ny fotodrafitrasa sy ny rafitra hafa ho an'ny fanatanterahana soa aman-tsara ny CHAN CAF TotalEnergies - Kenya, Tanzanie, Ouganda 2024. Na izany aza, ny manam-pahaizana manokana momba ny teknika sy ny fotodrafitrasa ao amin'ny CAF, anisan'izany ny miorina any Kenya, Tanzanie, ary Ouganda, dia nangataka fanampim-potoana mba hahazoana antoka fa ny fotodrafitrasa sy ny rafitra dia hahafeno ny fenitra ilaina amin'ny fandraisana soa aman-tsara ny CHAN, hoy ny CAF. "Te-haneho fankasitrahana lalina ho an'ny Filoha William Ruto ao Kenya, ny Filoha Samia Suluhu Hassan ao Tanzanie, ary ny Filoha Yoweri Museveni ao Ouganda aho noho ny fitarihana sy ny fandraisana andraikitra amin'ny fandrosoana lehibe tamin'ny fananganana sy fanavaozana ny kianja, ny toerana fanaovan-tsaina, ny trano fandraisam-bahiny, ny hopitaly ary ny fotodrafitrasa sy ny rafitra hafa ao Kenya, Tanzanie ary Ouganda ho an'ny fanatanterahana soa aman-tsara ny CHAN. Faly aho amin'ny asa fananganana sy fanavaozana ireo fotodrafitrasa sy rafitra ara-panatanjahantena any Kenya, Tanzanie ary Ouganda. Matoky aho fa ny kianja, ny kianja fanazaran-tena, ny trano fandraisam-bahiny, ny hopitaly ary ny fotodrafitrasa sy ny rafitra hafa dia hanaraka ny fenitra takian'ny CAF ho fanatanterahana ny CHAN amin'ny volana Aogositra 2025", hoy ny Filohan’ny CAF Patrice Motsepe. Inona izany no antony hanemorana raha tomombana ny zava-drehetra ? Midika fa mbola betsaka ny olana ara-teknika. Na eo aza ny fihemoran’ny fifaninana, hatao anio 15 Janoary 2025 amin'ny 8:00 hariva ora ao Nairobi ny antsapaky ny CHAN, izay isan’ny mpandray anjara i Madagasikara. Mbola tsy voafaritra mazava kosa ny daty hanaovana ny lalao na dia efa fantatra aza fa amin’ny aogositra 2025.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT