CHAN 2024

Azo resena tsara ireo iray vondrona amin’i Barea…


  • Alakamisy 16 Janoary 2025

Tontosa omaly ny antsapaka mikasika ny fizaram-bondrona amin’ny Fiadiana ny CHAN 2024.

Ao anatin’ny Vondrona B no misy an’i Madagasikara, miaraka amin’i Tanzanie, Mauritanie, Burkina Faso, ary Centrafrique. Azo lazaina ho antonony sy tsy dia atahorana ireo Firenena iray vondrona amintsika na tsy dia azo hamaivanina aza i Mauritanie sy Burkina Faso, ary tombony ho an’i Tanzanie ny maha mpampiantrano azy. Miankina amin’ny fiomanana anefa, ary tsy vitan’ny kajikajy ambony latabatra na filaharana ara-taratasy satria matoa tafakatra amin’ny dingana famaranan’ny CHAN dia tsy azo hamaivanina. Marihina fa miisa 4 ireo Vondrona ka ho an’ny Vondrona A dia hifampitady ao i Kenya, Maroc, Angola, RD Congo, Zambia,… Azo lazaina ho maozatra ity Vondrona ity. Anatin’ny Vondrona C kosa i Ouganda, Niger, Guinée, ary ny Q1 sy Q2, raha toa ka hifampitady ao anatin’ny Vondrona D i Sénégal, Congo, Soudan, Nigeria. Hangotraka ihany koa ny ao anatin’ity Vondrona ity izay misy an’i Sénégal izay tompon’ny amboara farany, saingy heverina ho maozatra ihany koa i Nigeria. Miakatra ambony kokoa rahateo ny lentan’ny CHAN amin’ity satria tafakatra 10,5 tapitrisa dolara ny vola iadiavana, ka 3,5 tapitrisa dolara ny an’ny voalohany raha 2 tapitrisa dolara teo ho eo teo aloha. Tokony ho natao any any Kenya, Tanzanie, Ouganda ny febroary izao moa ny CHAN saingy nihemotra ho amin’ny volana aogositra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT