Sport

CHAN 2022 Vonona tsara ny Barea


  • Zoma 06 Janoary 2023

Herinandro katroka eo sisa dia hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra CHAN 2022 hatao any Algérie ny 13 janoary hatramin’ny 4 febroary 2023.

Efa andro maromaro no nandao an’i Madagasikara ary manoman-tena any Tunusie ny Barean’i Madagasikara, izay tsiahivina fa iray vondrona amin’i Ghana, Maroc, ary Soudan. Hatreto, mbola baraingo ny ho fandraisan’anjaran’i Maroc izay voasokajy ho isan’ny maozatra indrindra na ao anatin’ny Vondrona na C na ho an’ny CHAN manontolo mihitsy. Izy ireo mantsy no tompondaka farany in-droa nisesy, ary vao avy namiratra tany amin’ny Mondial tany Qatar na ekena aza fa tsy ny mpilalao rehetra tany no hiatrika CHAN fa ireo milalao ao amin’ny fireneny, raha ho tonga any Algérie ihany izy ireo. Noho ny olana ara-diplaomatika eo amin’i Algérie sy Maroc anefa, mety tsy ho afaka hiatrika ny CHAN hiaro ny anaram-boninahiny i Maroc. Mety tsy hisokatra ho azy ny lanitr’i Algérie. Voalaza fa ankoatra ny Filohan’ny CAF Parice Motsepe anefa, dia voalaza fa hanatrika ny fanokafana ofisialy ny Filohan’ny FIFA Gianni Infantino ka asa izay mety ho fandaminan’ny FIFA ? Heverina fa tombony ho antsika ny mety ho tsy fahatongavan’I Maroc. Tsy mampiova ny paikady ny fanomanan’ny Barea ny lalao anefa ny fandraisan’anjara na tsia ho an’ny Maraokanina, raha ny ambaran’ny eo anivon’ny federasionina. Isan’ny paikady sy toromarika goavana nomen’ny mpanazatra ny hoe : mila mandresy amin’ny lalao voalohany hifanandrinana amin’i Ghana amin’ny lalao voalohany ny 15 janoary. Marihina hatrany fa hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny Diables Rouges ekipam-pirenen’i Congo Brazzaville ny Barea A’ anio 6 janoary, sy hifampitsapa amin’ny Mena an’i Soudan ihany koa ny alatsinainy 9 janoary.

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT