Sport

CHAN 2022 Tafiakatra amin’ny ampahefa-dalana ny BAREA


  • Talata 24 Janoary 2023

Misoratra amin’ny tantaran’ny baolika kitra Malagasy ny zavaditan’ny Barea CHAN halina tany Constantine – Alzeria.Tafiakatra amin’ny ampahefa-dalan’ny CHAN 2022 ny ekipan’ny coach Roro

rehefa nandavo ny Soudanais tamin’ny isa mazava tsara 3 – 0. Tafiditra tamin’ny fidirana voalohany avokoa ireo boalina telo ireo, ka i Tsiry laharana faha -13 no nampiditra ny baolina voalohany teo amin’ny minisitra faha 13. Taorian’ny fanafihana nianga avy any amin’ny elatra avanana sy ny tootra tsara fipetraka kossa no nanakobanan’I Koloina fanindroany ny haraton’i Mustafa; daka mandrivorivo tsara pirina tany amin’ny zoron’ny harato, ary sokajian’ny mpitantara ny lalao ho anisan’ny baolina maty tsara indrindra tao anatin’ny CHAN 2022 . Nanindry hatrany Malagasy teo amin’ny fifehezana ny baolina sy ny fanafihana, na dia teo aza ny fahaverezam-baolina ihany aloha.Nody ventiny ny rano natsakaina fa dia namono baolina fanintelony indray i Lalaina teo amin’ny minitra faha -34, mbola fanafihana niainga avy any amin’ny elatra avanana ihany nentin’i Dax, nalatsany tao ami’i Jean Yves ary namarana azy i Lalaina. Niezaka ry zareo Soudanais tamin’ny fidirana faharoa saingy efa tsy nahovoka firy ary hita ihany hoe efa nivoraka . Voafidy ho mpilalao mendrika indrindra i Koloina, manana isa 9 i Madagasikara ary laharana voalohany ao amin’ny vondrona misy azy. I Mozambika no hifandona amin’ny Madagasikara ny sabotsy 28 janoary izao.
Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT