Sport

CHAN 2022 Madagasikara irery no sambany mandray anjara


  • Alatsinainy 09 Janoary 2023

Madagasikara irery no firenena sambany mandray anjara amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’I Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra na CHAN

amin’ireo ekipam-pirenena miisa 18 hifaninana amin’izany atsy Alzeria amin’ity andiany faha 7 ity. Ny 13 janoary izao moa no hanomboka ny fifaninanana ary tsy hifarana raha tsy ny 4 febroary. Angola, Kongo, Mali, Ghana, Etiopia, Niger, Ouganda, Sénégal, Mauritania, Madagasikara, Soudan, Libya, Alzeria izay mpampiantrano, Maraoka izay efa in-droa nahazo ny anaram-boninahitra, Mozambika, RD Kongo, Kameronina, Côte d’Ivoire moa no hifaninana ao anatin’ity CHAN 2022 ity. Raha ny fahitan’ireo mpanao gazety vahiny azy dia azo sokajiana ao anatin’ny atao hoe miana-mamindra na “petit poucet” isika malagasy, izany hoe amin’ilay mety hametraka fotsiny ihany ny fandraisana anjara ho efa zava-dehibe. Mety hamoaka ny tsy ampoizina tahaka ny nitranga tany amin’ny CAN 2019 ihany koa anefa ka ho tonga amin’ny dingana lavidavitra mihitsy na dia heverina ho mafimafy ihany aza ny ady ho hatrehina satria dia ny Black star avy atsy Ghana mihitsy no hifandona amintsika voalohany. Iray vondrona amintsika ao amin’ny sokajy C ao koa ry zareo maraokanina, izay efa nahazo in-droa ity anaram-boninahitra ity, araka ny voalaza teo ihany fa dia io moa tsy misy resy tsy miady izany fa ny antsika aloha dia hoe “Alefa Barea!” hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT