Sport

Chan 2022 Ho fantatra anio ireo handrafitra ny Barea


  • Alakamisy 01 Desambra 2022

Anio alakamisy 1 desambra 2022, raha tsy misy ny fiovana, no hanambaran'ny eo anivon'ny federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF ny lisitry ny mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy na Barea handray

anjara amin'ny Championnat d'Afrique des Nations na CHAN 2022. Ho tanterahana any Alzeria ny volana janoary 2023 moa ny fifaninanana, raha tsiahivina hatrany. Anio, araka izany, no ho fantara izay fanovana na fiazonana ireo mpilalao nofidian’ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe na Rôrô hiatrika izay dingan’ny famaranan’ny CHAN 2022 izay. Amin’ny maha fiadiana izay ho tompondakan’I Afrika fa tsy fiadiana ny amboaran’I Afrika toy ny CAN azy moa dia ireo mpilalao avy ao an-toerana, izany hoe milalao ao anatin’ny firenena nihaviany avy ihany, no azon’ireo mpanazatra hajoro hiaro ny voninahim-pireneny avy ao anatin’ity fifaninanana iraisampirenena ity, raha tsiahivina hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT