Sport

CHAN 2020 andiany faha-6 Ahiana ny tsy hahatonsa azy any Cameroun indray


  • Alarobia 11 Martsa 2020

Manoloana ny fahitana ny "coronavirus" any Cameroun izay firenena voantendry handray ny dingana famaranana ny

 

 

CHAN 2020 izay hanomboka  ny 4 ka hatramin'ny 25 aprily 2020 izao, dia mampanahy be ihany ny ho avin'izany satria dia efa nananomboka tamin’ny zoma 06 martsa 2020 lasa teo no efa tonga ao Cameroun ity areti-mandoza ity ka lasa mapisavoritaka tanteraka ny CAF sy ny FECA “ Federasiona Kameroney ny Baolina kitra” izany. Hatreto aloha dia mbola tsy tena nandray fepetra hentitra mahakasika an’izany ny CAF fa mbola manara-maso ny fivoaran’ny toe-draharaha fotsiny saingy tsy azo hiodivirana ny mety ho  fanafonana indray an’ity fifaninanana  CHAN 2020 tokony hatao any Cameroun ity na dia efa vita tamin’ny alatsinainy 17 febroary 2020 lasa teo aza ny an-tsapaka amin’ireo ekipa iray vondrona amin’izany.

 

VONDRONA 4 AMIN’NY CHAN 2020

 

Marihana fa ny firenena 9 amin'ireo 16 handray anjara amin'ity CHAN ity  dia efa saika ahitana an’ity trangana "coronavirus"  ity avokoa.  Hampahatsiahivina fa firenena maro  no efa nandray fanapahan-kevitra nanafoana ny lalao iraisam-pirenena noho ity aretina ity tahaka ny nosy Maurice izay nanafoana ny fiadiana ny ho tompon-dakan’i Afrika eo amin'ny taranja fibatana fonjamby izay tokony ho tanterahina any aminy ny 13 ka hatramin’ny 20 aprily 2020 izao.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT