Sport

Champions Leauge any Eoropa Boribory tokoa ny baolina


  • Zoma 08 Martsa 2019

Tamin’ny nihintsanan’ireo ekipa kalaza andrandrain’ny maro dia ny Real de Madrid Espagne sy ny Psg Frantsa teo amin’ny 1/8-dalan’ny fifaninanana Champion’s League any Eoraopa tamin’ny talata 5 sy

 

 

 

alarobia 6 martsa 2019 teo no nahatsapana fa boribory tokoa araka ny fiteny mahazatra ny baolina. Na dia samy nandresy an-tanin’olona avy aza izy ireo tamin’ny lalao mandroso (Ajax 1 – 2  Real  :   Manchester United 0 – 2 Psg) dia nivadika kosa ny rasa ka lasa resy an-taniny avokoa izy ireo teo amin’ny lalao miverina (Real 1 – 4 Ajax   ; Psg 1 – 3 Manchester United). Azo ambara fa tsy niverina mihitsy ny sain’ireo mpilalao sy mpitantana ary mpomba an’ireo ekipa kalaza roa ireo ary tsy mbola tapaka mandraka ankehitriny  ny adihevitra mikasika an’ireo lalao ampahavalon-dalana miverina ireo. Mandeha ny resaka amin’ny fositry ny faharesena ary dia voatonona tamin’izany ny anaran’i Florentino Perez filohan’ny Real, na koa ny hoe tokony ho tsy navela hiala tao amin’ny klioba i Ranona sy ranona na koa ny hoe tokony hanafatra mpilalao vaovao hisolo an’i CR 7 ny Real ary dia voatonona manokana tamin’izany ny hiandrasan’ny Real fatratra an’i Mbappé. Nandeha koa ny tombana fa mety hisy fiantraikany amin’ny ara-toekaren’ny Psg mihitsy izao faharesena lava eo amin’ny Champion’s League mahazo azy nifanesy 3 taona izao ka mety hitarika ny fanalana mpilalao toa an-dry Mbappé sy Neymar mihitsy. Dia ho hita miandalana eo ihany izay mety ho tohin’ny tantara.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT