Sport

Champions League Tompondaka fanintelony misesy ny Real Madrid


  • Alatsinainy 28 Mey 2018

Voahosotra fanintelony ho tompondakan’ny Champions League UEFA ny ekipan’ny Real Madrid tarihan’ilay mpanazatra Frantsay Zinédine Zidane. Resiny tamin’ny isa mazava 3-1 ny sabotsy alina teo ny Liverpool tany amin’ny kianja olimpikan’i Kiev any Ukraine.

 

Ny baolina voalohany matin’ny Real Madrid dia tafiditr’i Karim Benzema teo amin’ny minitra faha-51 avy amin’ny fitavozavozan’ilay mpiandry haraton’ny Liverpool, ilay Alemà Loris Karius. Nosahalain’ny Liverpool tamin’ny alalan’ny baolina matin’i   Mané teo amin’ny minitra faha-55 izany. Nialoha izay aloha dia nisy ny faharatrana nahazo an’i Salah (Liverpool) teo amin’ny minitra faha-29 sy Carvajal (Real Madrid) teo amin’ny minitra faha-36 ka nahavoatery azy ireo ho nosoloina fa tsy afa-nanohy ny lalao intsony. Nampidirin’ilay mpanazatra Zinédine Zidane ho Jocker  i Garret Bâle ka nahafaty baolina nampitologaga ny rehetra teo amin’ny minitra faha-64. Mbola izy ihany koa no nampiditra ny baolina faha-3 niantoka ny fandresen’ny Real Madrid tanteraka 3-1 teo amin’ny minitra faha-83, mbola avy amin’ny fahadisoana be vava nataon’i Loris Karius mpiandry haraton’ny Liverpool ihany. Nahazo fandrahonana ho faty avy amin’ny mpankafy kitra Anglisy izy noho ireo hadisoana 2 vitany ireo. Ry Zinédine Zidane sy ny mpilalaon’ny Real Madrid kosa dia omaly alahady no noraisina makotrokotroka tany Madrid.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT