Sport

Champions League Matsiatra Ambony Hifanandrina amin’ny andro faha-5 ny Zanakala Fc sy Fc Lam


  • Talata 24 Aprily 2018

Mbola mitarika amin’ny isa 12 ny ekipan’ny Zanakala Fc arahan’ny Fomela isa 10, ny Fc Lam isa 08 ary ny Akon’Ambatomena isa 07,

eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ny baolina kitra ao Mahatsiatra Ambony na ny Champions League any an-toerana, taorian’ny vokatra azo tamin’ny andro faha-4 ny fifaninanana tontosa tamin’ny faran’ny herinandro teo

(sabotsy 21 sy alahady 22 aprily 2018) : Zanakala Fc  5 – 0 Maria Manjaka Fc ;  As Jirama 1 – 3 Fcb ;  Vas-Y Boaikely 1 – 3 Suca Foot ;  Le Relais Fc 0 – 2 Akon’Ambatomena  ;  Fomela Club 0 – 0 Fc Lam.

 

Hangotraka ny fifandonan’ny Zanakala Fc laharana 1 sy ny Fc Lam laharana faha-3  eo amin’ny andro faha-5 ny fifaninanana izay ho tontosaina ao amin’ny kianja Ampasambazaha Fianarantsoa ny 29 aprily izao hialohavan’ny fihaonan’ny Akon’Ambatomena sy ny Maria Manjaka Fc ary ny Le Relais Fc sy ny As Jirama. Ny sabotsy 28 aprily kosa ny fihaonan’ny Vas-Y Boaikely sy ny Fcb ao Ampasambazaha ihany . Any amin’ny kianjan’Ambalavao kosa no hifanandrina amin’ny 29 aprily ny Fomela Club sy ny Suca Foot.

 

Ntsoavina Evariste

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT