Sport

« Champion’s League Malagasy 2017 » Niraradraraka ireo baolina maty ny andro voalohany


  • Sabotsy 02 Septambra 2017

Nanao rarakompana ireo baolina maty tamin’ny andro voalohan’ny fiadiana ny “Champion’s League Malagasy” eo amin’ny baolina kitra omaly zoma 01 septambra 2017.

Voka-dalao  

Vondrona A tao Mahajanga : Varatraza Sofia 0 – 6 Cosfa Analamanga  II ; Fosa Juniors Boeny  0 - 0 MTM Melaky ; USSK Ambanja DIANA 6 – 2 FC Iharana SAVA.

Vondrona B tao Toamasina : FC Vakinankaratra  0 – 1 RTS Jet Mada Itasy II  ;  Fifafifi Atsinanana  3 - 2 STF Analanjirofo ; HZAM Amparafaravola Alaotra  Mangoro  1 – 0 Ajesaia Bongolava.

Vondrona D tao Fianarantsoa : Zanakala Matsiatra Ambony  7 - 2 AS Espoir Androy ; Cnaps Sport Itasy I  7 - 0  JSA Ihorombe ; 3FB Atsimo Andrefana  2 -1 FC Angele   Anosy.

Vondrona C teto Antananarivo  : FC Malaimbandy MENABE  2 – 5 FC Maeva Betsiboka ; Elgeco Plus ALFA I  5 - 0 VFM V7V ; FC Menagnara Atsimo Atsinanana  0 - 4 Top Dom Amoron’i Mania

Nanambara Atoa  Ratsimbazafy François Régis, filohan’ny ligin’Atsimo Atsinanana, fa tena vaovao be amin’ny ekipa tompondakan-dry zareo ny kianjan’i Mahamasina fa sambany izy niakatra teo. Tsy zatra ny tarihana an’isa ny ekipan’ny FC Menagnara avy any Vaingandrano, hoy izy, ka vao tafiditry ny Top Dom ny baolina voalohany dia nitondra fahakiviana ho an-dry zareo izany. Vokany, nidirana baolina 4 be izao ny FC Menagnara. Hiezaka ny hioitra mafy izahay manomboka eto, hoy i François Régis, satria tanjona ho anay ny ho tafakatra amin’ny dingana faha-2 amin’ity fifaninanana ity.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT