Sport

Champions league Atsimondrano Nobatain’ny AS Sainte Anne Bongatsara ny amboara


  • Talata 05 Jolay 2022

Niady dia niady ny lalao famaranana ny Champions league Atsimondrano izay notohizana ny alahady teo noho ny olana ara-toetr’andro tamin’ny herinandro.

Nobatain’ny ekipan’ny AS Sainte Anne avy ao Bongatsara moa no niafarany ny amboara ary izy ireo, araka izany, no nahazo ilay lelavola mitentina 2 tapitrisa Ariary avy amin’ny mpikarakara ny fifaninanana dia ny depiote Andry Ratsivahiny. Nisaraka ady sahala 1 noho 1 ity klioba ity sy ny mpifanandrina aminy dia ny ekipan’ny Tanjombato Centre nandritry ny fe-potoana ara-dalana. Tao anatin’ny fanalavam-potoana kosa no nahatafidiran’ny ekipan’I Bongatsara ny baolina faharoa nitondra azy ireo tany amin’ny fandresena tamin’ny alalan’ny moka foy 2 noho 1.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT