Sport

Champion’s League any Eoropa Tsara toerana i Barcelone sy Ajax


  • Zoma 03 Mey 2019

Taorian’ny fandresena azon’izy ireo tamin’ny ankatoky ny famaranana mandroso dia efa any amin’ny lalao famaranana amin’ity fifaninanana ity,

 

 

  izay hotontosaina any amin’ny Estadio Metropolitano any Madrid ny 01  jona 2019, ny tongotra anilan’ny Ajax Amsterdam sy ny Fc Barcelone. Ny Ajax d’Amsterdam Néerlandey tamin’ny  talata 30 aprily 2019 teo dia nandresy tao an-taniny ny ekipa Anglisy, ny Tottenham Hotspur 1-0 tamin’ny alalan’ny baolina matin’i Doony Van de Beek. “Tsy mbola tena tafita izahay, hoy ny mpanazatra ny Ajax, Erik Ten Hag, fa eto antsasa-dalana na dia teo aza ny vokatra tsara azo tany an-tanin’olona”. Mbola mikendry ny fivadihan-drasa na “remontada” kosa ny Tottenham, hoy i Mauricio Pochettino mpanazatrany :”Tsy mbola rendrika izahay fa resy tamin’ny  baolina tokana monja ka handraikitro tanteraka ny fanarenana ny lesoka”. Ny Fc Barcelone kosa dia nandresy mazava ny ekipan’ny Liverpool Anglisy ihany koa 3-0 be izao tamin’ny alalan’ny baolina  1 matin’i Suarez sy baolina 2 matin’i Messi. Io no “doublé” faha-125 vitany hatramin’izay nilalaovany ary feno 600 tamin’io lalao io ny baolina matiny tao anaty klioba.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT