Sport

Champions League ampahefa-dalana Real Madrid 3 - PSG 1 – Liverpool 5 - Fc Porto 0


  • Alakamisy 15 Febroary 2018

Azo ambara fa tena niady fo mafy ny ekipan’ny Real de Madrid Espagne vao nandresy 3-1 an-taniny ny ekipan’ny PSG Frantsa halina tao amin’ny kianjan’i Santiago Barnabeu teo amin’ny lalao mandroson’ny fifaninanana « Champion’s League 2018 ».

 

 Ry zareo vahiny no nampiditra ny baolina voalohany tamin’ny alalan’i Rabiot teo amin’ny minitra faha-33 ary nosahalain’ny Real tamin’ny alalan’ny penalty teo amin’ny minitra faha-45. Io isa 1-1 io no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Nibodo ny tanin’ny Real ny Psg nandritra ny fizaram-potoana faha-2 hatrany amin’ny minitra faha-83 nahafatesan’i Cristiano Ronaldo sy nampitomboan’i Marcello ny isa ho 3-1 teo amin’ny minitra 86. Mbola hangotraka ny fifandonana  amin’ny lalao miverina amin’ny 3 martsa 2018.

Tany Angletera kosa dia montsan’i  Liverpool  Fc 5 -0 ny ekipan’ny Fc Porto teo amin’ny 1/4-dalana iray hafa  (Sadio Mané 25', 53', 85' ; Mohamed Salah 29' ; Roberto Firmino 69')

 

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT