Sport

Champions league 2021 Hiatrika fifanintsanana dingana faharoa ry Abel Anicet


  • Zoma 21 Aogositra 2020

Tafita any amin'ny dingana faharoa amin'ny lalao hiakarana amin'ny UEFA Champions League ny ekipan'ny PFK Ludogorets, ekipa Bolgara misy ny kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra,

 

 

 

 Abel Anicet, rehefa nandavo ny ekipa avy ao Serbie Montenegro, FK Buducnost, tamin'ny isa 1 noho 3. Ny ekipa avy ao Danemark, Football Club Midtjylland, indray no hihaona amin'izy ireo amin'ny lalao manaraka izay atao amin'ny herinandro ambony ihany, raha ny kalandary. Azo lazaina ho efa any amin’ny dingan’ny famaranan’ny Champions league indray aloha izany ny ilan-tongon-dry Anicet sy ny namany, raha ny endrin-dalao nasehony hatreto aloha saingy ny baolina moa boribory. Tsiahivina fa talohan’izao dia moka fohy 1 noho 0 no nandavoan’ny ekipa polonais, Legia Warszawa avy atsy Varsovia ny ekipa misy ilay Barea, Hery Bastien, Linfield FC, ao Irlandy avaratra ny talata teo ka naha tapaka ny lalan’izy ireo teo amin’ity fandrombahana tapakila hanao champions league ity.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT