Sport

Champion’s League 2018 Fifandonanan’ny samy ngeza


  • Alakamisy 14 Desambra 2017

Vita tamin’ny alatsinainy 11 desambra teo ny antsapaky ny ampahavalon-dalan’ny lalao Champion’s League any Eoropa ;mangotraka tanteraka ny fifandonana, tahaka ny hoe lalao famaranana maro be.

 

 Ny 13 febroary  sy ny 14 febroary 2018 ary ny 20 febroary sy 21 febroary 2018 no hanatanterahana ny lalao mandroso rehetra. Ny 13 feborary ary dia hihaona ny Juventus sy ny Tottenham ary ny Fc Bâle sy ny Manchester City. Ny 14 febroary kosa dia hifampitady ny Fc Porto sy ny Liverpool ary ny Real de Madrid an-dry Cristisano Ronaldo hifandona indray amin’i Neymar sy ny PSG. Ny 20 febroary dia handray ny Besikitas avy any Turquie ny Bayern de Munich Allemand izay nanambaran’ilay lohalaharana kalaza, Thomas Müller, fa na dia lazaina ho ekipa henjana aza izahay dia tsy tokony hanao tsirambina ny fifandonana amin’i Besikitas. Mbola amin’io 20 febroary ihany dia hakotroka koa ny fihaonan’i Chelsea miaraka amin’ny Tiémoué Bakayoko hihaona amin’i FC Barcelone misy an’ilay kalaza Lionel Messi. Samy hanomboka amin’ny 22:45 ora iraisam-pirenena avokoa ireo lalao ireo. Ny 6 sy 7 martsa  2018 ary ny 13 martsa sy 14 martsa 2018 no hanatanterahana ny lalao miverina rehetra.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT