Nanomboka omaly talata ny 1/8 n-dalana lalao mandroso amin’ny champions league any Eoropa, tsy niady ny baolina teo amin’i Manchester City sy ny Fc Bale, nisongadina tsy nisy adihevitra i Manchester nandresy mazava tamin’ny 4-0.
Namono baolina roa i Gündoğan (14', 53')ary samy nahafaty iray avy kosa i Bernardo Silva(18') sy Sergio Agüero (23').Tena nampangitakitaka kosa ny fifandona’ny Juventus sy Tottenham izay nisaraka ady sahala 2-2. Gonzalo Higuaín no nampiditra ny baolina roa ho an’ny Juve raha toa ka Harry Kane sy Christian Eriksen no namono baolina ho an’I Tottenham; efa nitarika 2-0 ny Italiana saingy nampiseho ny maha klioba lehibe azy i Tottenham ka nahavita nnampiditra baolina roa.Efa tsara toerana amin’ny dingana manaraka i Manchester City raha tsy hoe misy fahagagana lehibe ; mbola ady be kosa ny lalao miverina ho an’i Juventus sy Tottenham.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.