Mbola nanjakan’ny DREN Atsimo Andrefana toy ny tamin’ny andiany voalohany notontosaina tany Mahajanga indray ny fifaninanana nasionaly fiadiana ny Tompondakan’ny Fanatanjahantena an-tsekoly
andiany faharoa notontosaina tany Toliara Atsimo Andrefana ny 28 septambra ka hatramin’ny 7 oktobra 2018 lasa teo. Ry zareo no nandrombaka ny medaly volamena be indrindra niisa 6 teo amin’ny taranja fototra Atletisma. Nitana ny laharana faha-2 i DIANA, medaly volamena 2, volafotsy 2 ary alimo 2. Faha-3 i Alaotra Mangoro volamena 2, volafotsy 1.
Teo amin’ny taranja iombonana dia mbola i Atsimo Andrefana ihany niaraka tamin’i Boeny no nitana ny laharana 1 nahazo medaly volamena 2. Faha-2 nitovy ihany koa samy nahazo medaly volamena 1 avy i Ihorombe sy Analanjirofo ary Betsiboka.
Mbola i Atsimo Andrefana ihany koa no voahosotra ho delegasiona mendrika indrindra nahazo fitambarana medaly 8 izay volamena avokoa, faharoa i DIANA volamena 2, volafotsy 2 ary alimo 1. Faha-3 i Boeny volamena 2, volafotsy 1 ary alimo 2.
Baolina kitra
Zazalahy : Ceg Maroantsetra Analanjirofo 3 - 1 Epp Fanjava Sofia
Zazavavy : Epp Andranomangatsiaka Betsiboka 2 – 1 Ceg Mandoto Vakinankaratra
Basket-Ball
Zatovolahy : Ceg Vohémar SAVA 87 - 68 Ste Thérése DIANA
Zatovovavy : Ceg Charles Renel Boeny 76 - 71 Ceg Analamahitsy Analamanga
Volley-Ball
Zatovolahy : Lycée Antaninarenina Atsimo Andrefana 3 Seta 0 Lycée Vincent de Paul Atsimo Atsinanana
Ste Jeanne d’Arc Boeny 3 seta 0 David Jones Atsinanana
Hand-Ball
Zatovolahy : Lycée Mixte Atsimo Andrefana 32 - 23 Lycée Luthérien Betroka Anosy
Zatovovavy : Lycée Privée NyA Ihorombe 16 - 13 Lycée Catholique Atsimo Atsinanana
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.