Championnat National Féminin U17

Lasan’ny FDM Sofia ny amboara


  • Alatsinainy 19 Mey 2025

Resin’ny FDM Sofia tamin’ny isa 3 noho 1 ny FC Mananjary V7V‚ tamin’ny lalao

famaranana ny «Championnat National Féminin U17» na ny tompondakam-pirenena eo amin’ny taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, latsaky ny 17 taona. Mafy ireo dingana nandalovana vao nahazo izao fandresena izao‚ hoy ny seraseran’ny klioba. Nandritry ny fifaninana dia nangataka fanohanana izahay tamin’ireo Raimandreny, zanaky ny faritra Sofia‚ hoy ny fanazavàna. Vitsy ireo namaly kanefa voninahitry ny faritra no narovana sy nentina. Tsy mahakivy anefa izany‚ azon’ny faritra Sofia ny amboara eran’i Madagasikara tamin’ity taranja ity. Mety hitohy any ivelany ny hetsika ka miantso ireo Raimandreny, zanaky ny faritra Sofia sy izay malala-tànana amin’izay fotoana izay. Tsy voatery fanohanana ara-bola no ilaina fa maro ireo te hijanona amin’ny laharana misy antsika koa ilana fanohanana izany‚ hoy hatrany ny antso nataon’ity klioba ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT