Sport

« Championnat National de Rugby Scolaire » Tompondakan’ny « Axe Centre » ny Analamanga lahy sy vavy


  • Alatsinainy 24 Jona 2019

Tontosa tetsy amin’ny kianjan’Antanimena tamin’ny sabotsy 22 jona 2019 lasa teo ny fifanintsanana fiadiana ny tompondaka nasionalin’ny « rugby scolaire 2019 axe centre »

 

 andiany faha-3 niarahan’ny Malagasy Rugby, ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena, ny  minisiteran’ny fanabeazam-pirenena Malagasy ary ny fikambanana « Terres en Mêlées Malagasy» nikarakara. Voahosotra ho tompondaka tamin’izany ka hisolotena an’ity « Axe centre » ity any amin’ny famaranana ny fanatanjahantena an-tsekoly nasionaly taona 2019, taranja rugby,  hotanterahina any Toamasina amin’ny 18-27 oktobra 2019 , ny ekipa zazalahy sy zazavavin’Analamanga (GEG Bemasoandro sy Ecole Privée Tafitasoa Sab Nam) nanoloana an’ireo ekipa solontenan’ny Faritra 4 nifaninana taminy (Vakinankaratra, Bongolava, Menabe ary Melaky). Nambaran-dRtoa Marie Julia Gony filohan’ny « Terres en Mêlées Malagasy » fa efa vita tahaka ny « Axe Centre » ny fifaninanana tany amin’ny « Axe Sud Centre » sy tany amin’ny « Axe Côte Saphir ». Sisa tavela ny fifaninanana any amin’ny  « Axe Est » hotontosaina amin’ny 5 sy 6 jolay izao any Toamasina sy ny « Axe Nord » hotontosaina any Ambanja amin’ny 13-14 jolay

 2019.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT