Sport

Challenge national U22 Hifamerina Analamanga sy Atsinanana


  • Alakamisy 15 Aprily 2010

Vita omaly ireo lalao ampahefa-dalan’ilay Challenge national U22 ary fantatra avokoa ireo ekipa tafita amin’ny manasa-dalana.

Ho an’ ny sokajy zazalahy dia hifamerina hihaona indray Analamanga (1A) sy Atsinanana (3A). Tsiahivina fa efa lavon’Analamanga 82-52 Atsinanana tamin’ny andro voalohan’ny fifanintsanana tao amin’ny vondrona A. Analamanga moa dia nandresy an’Atsimo Atsinanana tamin’ny isa mazava 122-82 omaly. Hatreo ampialan-tsasatra ry Rapa sy Marc no efa nitarika 60-43. Hifampitana amin’ny manasa-dalan’ny zazalahy an-kilany kosa i DIANA (1B) sy Boeny (2A). I DIANA dia nanilika ny Matsiatra Ambony tamin’ny isa 86-66 ary Boeny nampiondrika an’Atsimo Andrefana 87-81. Marihina fa mafy tokoa ny fifandonana tamin’ity lalao farany ity satria sady samy ranjanana sy goavana no matanjaka ireo mpilalaon’ny ekipa roa tonta ary nisy naharatrana mihitsy aza taty amin’ny faramparan’ny fihaonana. Tafita ary hihaona eo amn’ny manasa-dalana vehivavy kosa Atsimo Andrefana (2B) sy Boeny (1A) an-daniny ary SAVA (1A) sy Amoron’i Mania (1B) an-kilany. Hafana tokoa, araka izany, ireo manasa-dalana anio etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena izay hanomboka amin’ny 12 ora sy sasany.

Hery Rabe
 
 
Voka-dalao
Lahy :
DIANA – Matsiatra Ambony (88-66)
Atsinanana – Bongolava (84-81)
Analamanga – Atsimo Atsinanana (122-82)
Boeny – Atsimo Andrefana (87-81)
Vavy :
SAVA – Vakinankaratra (47-43)
Amoron’i Mania – Atsinanana (80-65)
Bongolava – Atsimo Andrefana (52-42)
Boeny – Atsimo Atsinanana (68-56)
 
Manasa-dalana anio:
12:30-Vavy : Atsimo Andrefana – Boeny
2:00-Lahy : Atsinanana – Analamanga
3:30-Vavy : SAVA – Amoron’i Mania
5:00-Lahy : DIANA - Boeny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT