Tanora miisa 192 mianadahy avy amin’ny klioba 32 zatovolahy sy 16 zatovovavy avy any amin’ny ligim-paritry ny basikety 11 eto amin’ny nosy no mifanandrina amin’ny lalao basikety lalaovin’olona 3 na “Challenge National Basket 3 x 3 2018 etsy amin’ny tokotanin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina Antananarivo mandritra ny roa andro nanomboka omaly zoma 6 aprily sy anio sabotsy 7 aprily 2018.
Nozaraina ho vondrona 8 ireo ekipa zatovolahy ka ny 2 isaky ny vondrona no miakatra amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalana. Tahaka izany koa ireo 2 voalohany amin’ny vondrona zatovovavy miisa 4. Anisan’ireo ekipa nisongadina tamin’ny andro voalohay fa tsy resy mihitsy teo amin’ny zatovolahy ny Bira Clus Vaknà, Asa A/manga, Bscm, Cbbt A/manga, Dtsc A/manga, Bcna DIANA, Dream Team A/manga. Teo amin’ny zatovovavy kosa ny Mb2All 2 A/manga, Cospn 2 B Antsiranana, Lucadro 1 A/manga, Acacias A/manga. Ny ampahavalon-dalana zatovolahy no hanombohana ny fotoana anio sabotsy 7 aprily maraina arahan’ny 1/4-dalana zatovovavy. Anio tolokandro kosa no hanatanterahana ny manasa-dalana sy ireo lalao famaranana.
Fa hanomboka rahampitso alahady 8 aprily 2018 ao amin’ny “Petit palais” sy “grande salle” ao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina koa ny TOP 8 lahy sy vavy amin’ny fiadiana ny Amboaran’ny Filoha andiany faha-4 ka hisantatra izany amin’ny 9 ora maraina ny Fandrefiala Analamanga sy ny Jea Vakinankaratra sokajy vehivavy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.