Challenge league soisa

Miisa 18 no baolina matin’i Caddy Warren


  • Alatsinainy 26 Mey 2025

Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,

divizionina faharoa na Challenge league, no takatry ry Caddy Warren, lohalaharana malagasy, sy ny ekipany ao amin’ny FC Stade Lausanne Ouchy ny alin’ny zoma teo na dia nanezaka mafy nitady fandresena aza nanoloana ny ekipan’i Vaduz. Azo lazaina hoe nody ventiny ny rano natsakaina na dia mbola tsy ampy niakarana any amin’ny divizionina voalohany eo amin’izay fifaninanam-pirenena soisa eo amin’ny taranja baolina kitra izay aza. Nandresy tamin’ny isa 2 noho 0 moa ry Caddy ary izy no nampiditra ny baolina voalohany tany amin’ny minitra faha 78. Efa taty amin’ny minitra faha 90 vao nahatafiditra ny baolina faharoa i Diogo Rafael Mendes Carraco. Baolina miisa 18, araka izany, no tafiditry ny Caddy tao anatin’izay lalao miisa 29 izay, raha ny fampitam-baovao voaray hatreto aloha.
Nangonin’i J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT