Sport

Centre Technique National de Carion Mpiofana 25 mianadahy no notolorana marim-pankasitrahana


  • Sabotsy 10 Febroary 2018

Mpanazatra sy préparateur physique amin’ny taranja baolina kitra niisa 25 mianadahy (vavy 1) no nisitraka ny fiofanana “préparateurs physiques” notarihan’ilay Instructeur Fifa, Michel Zitschard teratany Soisa ka notolorana sertifika mikasika izany omaly zoma,

Totoafo ny fiofanana natao, hoy ity manampahaizana manokana Soisa ity, satria tao anatin’ny 5 andro monja no nanatanterahana azy (5-9 janoary 2018) teny amin’ny “Centre Technique National” teny Carion. Fangatahana manokana avy amin’ny FMF Malagasy no naneken’ny FIFA hanatanterahana an’ity fiofanana ity teto Madagasikara. Dingana faha-3 tamin’ny fiofanana “préparateurs physiques” ao anatin’ny tetikasan’ny FIFA Fitness natao teto amintsika ity nofaranana omaly zoma 9 febroary ity taorian’ny natao tamin’ny taona 2015 sy 2016 ary mbola mendrika ny ho tohizana, hoy i Michel Zitschard. Inoana fa hitondra hery lehibe eo amin’ny fanazarana sy fampivoarana ny taranja baolina kitra eto amintsika izao fiofanana izao, hoy Atoa Doda Andriamiasasoa filohan’ny FMF am-perinasa nitarika ny lanonana ka dia hisaorana indrindra ny FIFA namaly ny fangatahana natao.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT