Sport

Centre Betania Ankasina Nanome tanana ny mpiangaly Jujitsu


  • Talata 12 Septambra 2017

Avy amin’ny fandalovana teto Madagasikara ka nanomezany fiofanana an’ireo Malagasy mpiangaly ny taranja Jujitsu dia nahangona vary 8 gony mahery kely avy amin’ny fanentanany an’ireo klioba niara-niasa taminy toy ny Area Ryu,

 ny Attila Esca, ny Checkmat, ny Cicero Costah juji, ny Base ny Sfs ary ny Gordinho, ilay mpiangaly ity taranja ity manana ny tepana mainty 2è dan, Dimitrios Tsitos, izay mipetraka any Dubai ankehitriny ka natolotr’izy ireo ny “Centre Betania” eny Ankasina izay toerana mikarakara ankizy mpianatra miisa 700 (préscolaire-7è) miampy olona sahirana miisa 100 isan’andro. Toerana natsangan-dry Masera tamin’ny taona 1996 ity toerana ity ka ny PAM no namatsy ny Cantine teo aloha fa ry masera Providence de France sy ny fikambanana Les Enfants d’Ankasina no nandimby izany rehefa lasa niasa any Atsimo izy ireo. Vary iray gony sy tapany isan’andro no filan’ity toerana ity amin’ny famahanana isaky ny antoandro an’ireo ankizy sy lehibe miisa 800 ireo. Tsy mandoa afa-tsy 2500 Ariary isam-bolana miantoka ny cantine sy ny saram-pianarany ary ny fitaovam-pianarany ireo izay afaka manefa izany. Misy toeram-pitsaboana manara-maso ny fahasalaman’ireo zaza ao amin’ny “Centre Betania”.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT