Sport

Cedric Djavö “Mandresy an’i Botswana 2 noho 0 isika amin’ny zoma”


  • Talata 30 Aogositra 2022

Misy fanantenana ny fanomanana ny CAN 2023, hoy ny tekinisianin’ny kitra malagasy sady mpitantana klioba, Cedric Djavö. Na dia mihemotra aza,

hoy izy, ny fifanintsanana dia efa karazana fanomanana ihany ny atao any Maraoka amin’ny septambra mandritry ny fifaninanana izay andraisana ekipam-pirenena miisa 12 anjara. Ho an’ny CHAN moa dia tombony lehibe ho antsika ny nandresy 1 noho 0 tany an-tanin’olona. Mila mifantoka sy tena manome ny rehetra any aminy anefa ny mpilalao sy ny mpikarakara na STAFF rehetra mba hahafahana manoratra ny tantara, indrindra, ho an’ny baolina kitra eto an-toerana. Mandresy 2 noho 0 isika amin’ny zoma raha ny fahitako azy. Tsy tena nahita ilay lalao mandroso nihaonana tamin’i Botswana aho fa tombony ho antsika foana ny talenta. Eo koa ny hazakazaka ananantsika sy hafainganam-pandeha hananantsika. Ny fampidirana izay rehetra izay anaty stratejia maty paika no mila tena hananan’ny mpanazatra, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT