Sport

CCOI Hand-ball Nanao pao-droa ny Reonioney


  • Talata 04 Desambra 2018

Nikatona tamin’ny sabotsy 1 desambra teo ny ridaon’ny fifaninanana Hand-ball niadiana ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indiana ho an’ireo ekipa tompondaka lahy sy vavy amin’ny firenena 7 mpikambana.

 

Tsy misy fialantsiny azo ambara, hoy ny filohan’ny Federasiona Malagasin’ny taranja Hand-ball sady filohan’ny Faritra faha-7 amin’ity taranja ity aty Afrika, Fidèle Razafintsalama,  fa nanatombo eo amin’ny lafiny rehetra ireo nosy ao amin’ny departemanta Frantsay dia i Mayotte sy La Réunion (ara-pitaovana, ara-teknika, ara-pizarana lalao goavana, ara-traikefa) ka nahatonga azy ireo niatrika ny lalao famaranana teo amin’ny sokajy lehilahy.  Nanao pao-droa ry zareo Reonioney tamin’ity fifaninanana ity. Norombahan’izy ireo avokoa ny amboara sy ny medaly volamena.

Teo amin’ny vehivavy,  ny Tamponnaise Hbc (La Réunion) nandresy ny Thbc (Madagascar) tamin’ny 25-17.  Ny Château Morange  (La Réunion) kosa teo amin’ny sokajy lehilahy nandavo ny  Tsingoni (Mayotte) 39-29.  Nitana ny laharana fahatelo avy vehivavin’ny Boueni avy any Mayotte  ary ny lehilahin’ny As St Michel Madagasikara. Samy notolorana amboara avy ireo mendriky ny fifaninanana rehetra lahy sy vavy.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT