Sport

CCCHOI andiany faha-18 Nosokafana ofisialy omaly tetsy Mahamasina


  • Alarobia 04 Desambra 2019

Ny Dgs ao amin’ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena Malagasy, Rtoa Rosa Rakotozafy, izay nisolotena ny minisitra Tinoka Roberto,

 

 

 no tonga nanokatra ofisialy ny hetsika CCCHOI “Coupe des Clubs Champions Handisports de l’Océan Indien” andiany faha-18 tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Malagasy tetsy Mahamasina; omaly talata 03 desambra 2019, notroninin’ny fianakaviamben’ny Handisports avy amin’ny nosy 5 (La Réunion, Maurice, Comores ary Madagasikara mpampiantrano). Taorian’ny filaharana nataon’ireo delegasion’ireo nosy 4 ireo sy ny lahateny nataon’ny filohan’ny “Madagascar Paralympic Committee”, Atoa Monja Dinard, niarahaba ny vahiny sy ny fampisehoana fihetsika mirindra nataon’ny mpikambana La Femme “Association des femmes handicapées de Madagascar” no nandray fitenenana fohy ity Dgs Malagasy ity ka nanipika ny maha zava-dehibe ny lalaon’ny manana fahasembanana Malagasy izay tafiditra ao anatin’ny spaoro izay fanoitra hamerenana ny hambompom-pirenena araka ny voafaritra ny velirano nataon’ny filoham-pirenena Malagasy. Lalao “basket en fauteuil roulant” no nanombohana ny fifaninanana rehetra ka nibatan’ny ekipa Malagasy fandresena voalohany tamin’ny alalan’ny lalao nifanandrinan’ny Toliara (Mad 1) sy ny Reonioney (46-45).

Vokatr’ireo lalao hafa : Comores 32 – 85 Maurices ; Cosahp (Mad 2) 35 – 68 Toliara (Mad 1).

Manomboka amin’ny 9 ora ny tohin’ny lalao basket etsy amin’ny  lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina anio alarobia andro faha-2.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT