Sport

Carolus Andria “Tsara ny fifandraisanay ao amin’ny Barea”


  • Alakamisy 11 Martsa 2021

Naneho ny heviny manoloana ireo fanaratsiana ny mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasin’ny baolina kitra, Nicolas Dupuis,

 

 

 sy ireo mpilalaon'ny Barea nandeha be tato ho ato ny lohalaharana Malagasy, Carolus Andria. Isan'ireo voahendrikendrika sy nisy nanaratsy koa moa ity mpilalao ity, raha ny fanazavany. Nilaza izy fa gaga izy mivady raha nahita ireo mpanao gazety namoaka vaovao nanendrikendrika azy amin'ny zavatra tsy misy fantany. Nanamafy izy fa tsara ny fifandraisana eo aminy sy i Nicolas Dupuis ary manohana ny mpanazatra sy miaraka 100% amin'ny Barea hatrany izy. Tsy marina noho izany ny resaka ezahana aparitaka momba azy sy ny ny mpanazatra izay niha nahazo vahana tato ho ato satria fantatra fa misy maniry ny hikorontanan'ny ekipam-pirenena sy hanakivy ireo mpilalao sy mpanazatra mba tsy ahatafakarana amin'ny CAN 2022, hoy hatrany ny fanazavany. Tsara ny fifandraisanay ao amin’ny Barea, hoy izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT