Sport

Carolus Andrea Nifindra ao amin’ny Najran SC


  • Alarobia 07 Septambra 2022

Taorian’ny fahavitan’ny fifanarahany tamin’ny ekipan’I Al Qadisiya, divizionina faharoa ao Arabia Saodita, dia somary azo lazaina ho niato sy naka bahana teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra mihitsy ilay lohalaharana malagasy,

Carolus Andriamahitsinoro na Carolus Andrea. Tsy isan’ireo voahantso nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’I Madagasikara ihany koa moa ny tenany taorian’izay. Teo ny voalaza ho tsy fifankahazoana tamin’ny mpanazatra ny Barea teo aloha, Eric Rabesandratana, fa nisy antony hafa kosa anefa, hoy ny fanazavany. Ankehitriny dia tsy niala ao Arabia saodita hatrany ity kintana malagasy, 33 taona, 1,72 metatra, 66 kilao ity fa dia nifindra ao amin’ny Najran SC izay divizionina voalohany kosa. Azo lazaina ho klioba mbola zandriny ny Najran SC saingy efa nahavita ezaka goavana teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra arabo kosa matoa tafakatra divizionina voalohany sahady. Andrasana ny fanapahan-kevitry ny mpanazatra Nicolas Dupuis raha mbola hiantso azy handrafitra ny ekipam-pirenena moa na tsia saingy na izany na tsy izany dia mirary soa hatrany an’i Caro !
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT