CAN-Fampandresena an’i Côte d’Ivoire

Nahantona telo ilay mpitsara, noroahina ireo teo amin’ny VAR


  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Tezitra ny filohan'ny FIFA Infantino nanoloana ny fihetsiky ny mpitsara avy any Gabon,

Pierre Ghislain Atcho nandritra ny lalao nihaonan'ny Sénégal sy Côte d'Ivoire. Tsy notsofiny ny kiririoka raha nisy hadisoana nataon'ny mpilalaon'ny Côte d'Ivoire nanoloana an'i Ismailia Sarr nefa dia tokony ho penalty azon'i Sénégal ilay izy. Nolazaina fa lasa aloha koa i Nicolas Pepe raha namono baolina ary dia nolaviny. Raha tsorina dia nangalatra ary nanao izay hahatafita ny Côte d'Ivoire ity mpitsara ity. Tezitra ny filohan'ny FIFA noho ireo dia namoaka didy henjana satria tsy mahazo mitsara baolina mzndritry ny telo taona i Pierre Ghislain Atcho. Asa aloha fa dia miharihary izao fa manao risoriso ireto Côte d'Ivoire ireto. Noroahan’ny CAF ihany koa ireo olona niandrakitra ny VAR tamin'io fotoana io. Raha tsorina izany dia samy mihaiky ny rehetra fa nisy ny fanampahan-kevitra diso sy ny fitongilanan'ny mpitsara maka ireo Elefanta. Mahagaga anefa fa dia mijanona eo ny sazy fa tsy voakitika mihintsy ny tompon-tanana.Dikan'io izany raha maharesy aza ny Côte d'Ivoire amin'ity CAN ity dia mbola tsy manitsy voaresaka foana io halatra io. Rehefa hita mibaribary izany ny hadisoana maninona no tsy averina ilay lalao ?
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT