Sport

CAN EGYPTE 2019 Nivoaka ny Mascotte « Sary famantarana »


  • Alarobia 22 Mey 2019

Iray volana katroka aty alohan’ny hanombohan’ny andiany faha-32 amin’ny fifaninanana baolina kitra Afrikanina CAN 2019 hotontosaina

 

 

 

any Egypte manomboka ny 21 jona ka hifarany ny 19 jolay ho avy izao dia navoakan’ny komity mpikarakara ny hetsika  Egiptianina ofisialy tamin’ny alahady lasa teo ny Mascotte « Sary famantarana ny lalao » antsoina hoe « Tut » izay nalaina avy amin’ny Faraona malaza Toutankhamon. Mampiseho ankizy faraona kely 12 taona misalotra loko menan’ny ekipam-pirenena Egiptianina ny sary famantarana ny Can 2019 ary hiakatra eny ambony kianja filalaovana hatrany amin’ny fiandohan’ny lalao rehetra hotontosaina.

Marihana fa ny ekipam-pirenen’i Egypte mpampiantrano sy ny ekipam-pirenena Zimbabweanina ao amin’ny Vondrona A no hanokatra ny Can 2019 amin’ny zoma 21 jona amin’ny 9 ora alina  iraisam-pirenena any Le Caire.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT