Sport

CAN Egypte 2019 Hiaka-tsehatra fanindroany anio ny Barean’i Madagasikara


  • Alakamisy 27 Jona 2019

Anio alakamisy 27 jona 2019 any amin’ny kianjan’i Alexandrie any Egypte manomboka amin’ny 5ora30 hariva Malagasy no hiaka-tsehatra fanindroany

 

amin’ny fifaninanana CAN 2019 tontosaina any Egypte ny Barean’i Madagasikara ka hikatroka amin’ny ekipam-pirenen’i Burundi. Toy ny tamin’ny andro voalohany nandraisany anjara dia hiombom-po tanteraka amin-dry Faneva Ima sy ny namany indray anio hariva ny Malagasy maro an’isa, indrindra ny mpitia baolina kitra Malagasy. Fihaonana 2 ao amn’ny Vondrona C   kosa no hanaraka an’io lalao io  ka amin’ny 8ora alina Malagasy : Senegal # Algerie  ary amin’ny 11 alina Malagasy : Kenya # Tanzanie.

Omaly alarobia 26 jona 2019 i Nigeria mpiray vondrona amin’ny Barea no ekipa voalohany tafita amin’ny dingan’ny 1/8-ndalana amin’ity Can Egypte 2019 ity manana isa 6 ankehitriny raha nandavo an’i Guinée 1–0. Tao amin’ny vondrona A kosa dia nahazoana ny vokatra : Ouganda - Zimbabwe ( 1-1 )  ;  Egypte-RdCongo ( 2 -0  ), izany hoe efa mangoron’entana izany i RDC.

 

Ntsoavina Evariste

 

.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT