Sport

Can Angola 2010 : Anaram-boninahitra fanineniny ho an’ny Faraona


  • Alatsinainy 01 Febroary 2010

Nifarana omaly tao amin’ny Kianjan’ny 11 Novambra ao Luanda (Angola) ny andiany faha-27 amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika. Nandrombaka ny anaram-boninahitra fanineniny ny Faraonan’i Egypte (1957, 1959, 1986, 2006, 2008, 2010).

 

Vitany ihany koa ny nandrombaka intelo nisesy ny amboara. Tamin’ny isa 1-0 no nahatafavoaka ho mpandresy ny ekipan’i Hassan Sheheta, mpanazatra izay nitondra ireto Faraona ireto tao anatin’ireo andiany telo nisesy nisalorany ny anaram-boninahitra. Nanindry tamin’ny ankapobeny ny Black Stars-n’i Ghana, izay nahitana ireo mpilalao tanora maro izay vao avy nandrombaka ny amboara eran-tany ho an’ny latsaky ny 20 taona tamin’ny taona lasa, saingy nanody azy ireo ny fanafihana tsara rindra nataony nefa nananontanona ny harato egytianina fotsiny. Tsy nisy nitoko ny ekipa roa tonta hatreo ampialan-tsasatra ary efa tany amin’ny dimy minitra farany no nahafatesan’ny Faraona ny baolina tokana volamena izay nampidirin’ilay irakiraka, Mohamed Nagy Gedo rehefa nahavaky ireo vodilaharana telo nanoloana azy ny lehilahy tany amin’ny ilany havian’ny kianja. I Gedo rahateo no mpamono baolina be indrindra tamin’ity Can 2010 ity izay nahatafiditra 5 nandritra izao dingan’ny famaranana izao.
Fa anisan’ny notapahan’ny CAF ny sabotsy teo koa fa tsy hahazo handray anjara amin’ireo andiany roa manaraka amin’ny Can i Togo ankoatra ny famerana azy tsy afaka nanohy nandray anjara tamin’ity andiany faha-27 tany Angola ity.
Nangonin’i Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT