CAN 2025

Tsy mbola nisy antsapaka natao izany


  • Alatsinainy 19 Febroary 2024

Ny 20 febroary 2024 hoavy izao no hanatanterahin'ny CAF

na kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra ny antsapaka ho an’ny dingana savaranonando na "Tour Préliminaire" hahazoana ny tapakila any amin’ny Tompondakan’i Afrika na CAN 2025, raha ny fampitam-baovao ofisialy voaray ny sabotsy. Ireo ekipa miisa 8 ratsy toerana indrindra ao amin'ny filaharana ofisialy navoakan'ny FIFA na Federasionina iraisampirenen’ny baolina kitra, noho izany, no miatrika ity dingana savaranonando ity. Tahaka izao kosa no fandaharam-potoana fantatra navoakan'ny CAF mikasika ny fifanintsanan’ny CAN 2025, izay mety mbola hisy fiovana. Hanomboka ny 18 martsa 2024 hatramin'ny 26 martsa 2024 ny dingana savaranonando. Ny 2 septambra 2024 hatramin'ny 10 septambra 2024 ny andro voalohany sy faharoa. Ny 7 oktobra 2024 hatramin'ny 15 oktobra 2024 ny fahatelo sy fahaefatra. Ny 11 novambra 2024 hatramin'ny 19 novambra 2024 ny faha 5 sy faha 6. Diso tanteraka, noho izany, ireo fanasokajiana efa miparitaka izay milaza ny sokajy misy ny ekipam-pirenena malagasy na Barea any ho any, raha ny fampitam-baovao hatrany, satria tsy mbola nisy antsapaka natao izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT