CAN 2025

Satroka faharoa no misy an'i Madagasikara


  • Talata 18 Jona 2024

Nisy vokany sahady ny fandresen'ny Barean'i Comores sy ny ady sahala tamin'i Mali

farany teo ho an'ny Barea. Lasa faha 103 isika raha 109 teo aloha. Vokany dia tafiakatra ao amin'ny Satroka faharoa ny Malagasy mialoha ny antsapaka mikasila ireo vondrona handray anjara amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika eo amin'ny baolina kitra izay hotontosaina any Maraoka. Ny 4 jolay izao no atao any Johannesburg ny antsapaka ary azo lazaina ho tsara vintana ny Barea satria dia midona amin'ny iray ao amin'ny Satroka voalohany ary ny ambiny dia satroka fahatelo sy fahaefatra. Azo atao tsara izany ny hahatonga any amin'ny famaranana any Maraoka satria dia miisa 24 ireo ekipa miakatra ary roa isam-bondrona no miakatra mivantana. Mizara Vondrona 12 ireo mpandray anjara ary tafiditra ao ireo ekipa nandalo savaranonando tamin'ny volana marsa teo. Ny vaovao mahafaly taorian'ireo lalao roa farany nataony dia mety ho avy amin'izay ireo mpilalao tena avo lenta toa an'i Francis Coquelin (Villarreal) sy Lilian Raolisoa ao amin'ny SCO Angers izay lasa Ligy 1any Frantsa raha tsy voasazy. Eo koa i Ebobisse izay milalao any Etazonia ao amin'ny Major Soccer League. Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT