CAN 2024

Tsy maharesy lahatra i Côte d'Ivoire, tsy nahovoka i Egypte


  • Alatsinainy 15 Janoary 2024

Tsara fanombohana aloha ny Côte d'Ivoire amin’ity CAN nanomboka

ny sabotsy teo tao amin'ny Kianja Edimpé izay nampitondraina ny anaran'ny filoha am-perinasa Alassane Ouattara. Nandresy ny Guinée Bissau aloha ny Elefanta tamin'ny isa 2 noho 0. Baolina matin'i Seko Fofana raha vao nznomboka 4 minitra fotsiny. Mbola nanampy io isa io i Jean Philippe Krasso (58). Tsy maharesy lahatra anefa na izany aza i Côte d’Ivoire satria ireto Guinée Bissau ireto no gana malemy anatin'io vondrona io. Ny lalao hihaonana amin'i Nigeria ny 18 janoary izao no ahalalana raha tena voafehin'ilay mpanazatra frantsay, Jean Louis Gasset, izay sambany mitazona ekipa nasionaly. Mbola ao an-tsaina mantsy ilay faharesena nanoloana ny Zambia, 3 noho 0, tamin'ny volana jona teo satria tsy nandray anjara amin''ny fifanintsanana ry zareo noho izy mpampiantrano. Mbola eo koa anefa ny ady an-trano sy korontana madinidinika toa ny nanerena ny mpijery hiakanjo loranjy amin'ny vidiny mihoampampana sy ny tsy namela ireo trano fisotroana handefa mivantana ny lalao. Niravona ihany anefa izany ary mbola nandresy rahateo ry Kessié sy ny namany dia mbola tehaka fotsiny aloha.

Lalao isan’ny tsy nampoizina ho an’ny omaly kosa ny vokatra teo amin’ny fifanandrinan’i Egypte sy Mozambika. Ny Mozambikanina no nanana tombony tany, ary efa noheverina fa hivoaka mpandresy. Nitarika tamin’ny isa izy 2-1 izy ireo, saingy efa tany amin’ny minitra faha-97 no nahazo penalty ny Ejiptianina, ary matin’i Mohamed Salah.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT