CAN 2024

Tafita amin’ny famaranana i Nigeria


  • Alakamisy 08 Febroary 2024

Niady hatrain’ny farany, ary tany amin’ny « tirs au but » vao nivoaka ny

mpandresy tamin’i Nigeria sy Afrika Atsimo omaly teo amin’ny lalao manasa-dàlan’ny CAN 2024. Ady sahala 1-1 no nisaharana hatrany amin’ny 120 minitra. Tao anatin’ny 90 minitra dia i Nigeria tamin’ny alalan’i W. Ekong teo amin’ny minitra faha-67 no nanokatra ny isa. Nifamaliana tanteraka ny fanafihana sy ny baolina saika maty, ka nahafaty iray i Oshimen teo amin’ny minitra faha-85, kinanjo nolavin’ny mpitsara, fa niverina tany amin’ny hadisoana nataon’ny mpilalaon’i Nigeria tany amin’ny faritra tsy azo ivalozana ny mpitsara, ka nivadika ho penalty, nahatonga ny isa ho 1-1, ary io no nisarahana hatrany amin’ny fanalavam-potoana. Niditra tamin’ny « tirs au but » ka lavo 4-2 ny ekipan’ny Filohan’ny CAF Patrice Motsepe. Voasakan’i ny daka voalohan’ny Afrikanina Tatsimo, raha toa ka tsy nety nandaitra hatramin’ny farany kosa ilay mazian’i Ronwen Williams, izay nahasakana baolina 4 nanoloana an’i Maroc. Daka fahatelo kosa no tsy maty ho an’i Nigeria fa niakatra be, ka velom-bolo kely ny Afrikanina Tatsimo kinanjo azon’ny mpiandry harato indray koa ny daka fahatelo ho azy ireo. I Stanley Nwabali indray izany teto no mpiandry harato nitondra ny ekipany tany amin’ny fandresena. Azon’i Nigeria noho izany ny tapakilan’ny lalao famaranana ka izay nandresy tamin’i RD Congo sy Côte d’Ivoire alina no hanao famaranana aminy ny alahady 11 febroary izao. Ny taona 2013 no nanao famaranana farany i Nigeria, izay efa nahazo ny anaram-boninahitra in-telo hatramin’ny nanombohan’ny CAN ny taona 1957, raha toa ka i Egypte hatrany aloha no manana betsaka indrindra (7), Cameroun 5, Ghana 4, ary Nigeria 3, raha toa ka 2 kosa ny an’i Côte d’Ivoire.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT