CAN 2024

Raraka i Côte d’Ivoire, noviravirain’i Guinée Equatoriale


  • Talata 23 Janoary 2024

Vita hatreo, nangoron-damba tanteraka ny elefantan’i Côte d’Ivoire mpampiantrano,

ary mijanona ho mpitazana sisa ry Fofana sy ry Franck Kessie sy ny ekipany. Noviraviran’i Guinée Equatoriale teo an-jaridainany ny elefanta omaly satria montsana tamin’ny isa mavesatra 4-0 teo an-jaridainany. Nanokatra ny isa teo amin’ny faha-44(E. Nsue) ny Gineanina, ary io no nialana sasatra. Niezaka nanasahala ny mpampiantrano, ary nahatafiditra baolina roa, saingy nolavin’ny mpitsara avokoa. Niampy iray indray anefa ny isa iray tamin’ny alalan’ny « coup Franc » tsara dia tsara indray ny Gineanina teo amin’ny minitra faha-73 (E. Nsue), ary vao fanafihana voalohany taorian’io dia teo amin’ny minitra faha-75 (P. Ganet) dia nikobana indray ny harato. Mbola niampy iray indray anefa ny isa teo amin’ny faha-80 minitra (Jannick Buyla), hany ka nitolefika tanteraka ny elefanta Ivorianina, izay nosokajiana hatrany am-boalohany fa isan’ireo tsara toerana sy manana herijika ambony indrindra handrombaka ny amboara noho ny tanjany aty Afrika sy ny tombondahiny maha mpampiantrano azy, saingy mipetraka ho mpitazana sisa. Raha hiverenana dia nandresy an’i Guinée-Bissau 2-0 ny elefanta tamin’ny fanokafana, resin’I Nigeria 1-0, ary nomontsanin’i Guinée-Equatoriale 4-0. Ho an’ny Vondrona A, mitana ny laharana voalohany i Guinée équatoriale (7 pts) ; Nigeria (7 pts) Côte d'Ivoire (3 pts) ; Guinée-Bissau (0 PTS). Niomana fatratra anefa i Côte d’Ivoire na tamin’ny fampiantranoana na ho an’ny ekipam-pirenena satria mahatratra 108 000EUROS na 70,740 FCFA eo isam-bolan’ny no nanaramana ny mpanazatra Jean Louis Gasset, kanefa io ny vokatra. Saika sahirana avokoa ireo ekipa lehibe, ary tsy misy ekipa azo hamaivanina mandritra ity CAN ity, ary tsy mipetraka intsony ilay fanasokajiana ambony latabatra hoe : ireto no « favoris » fa tena betsaka ny tsy nampoizina, ary niomana ny rehetra. Anisan’ny misongadina ohatra ny zava-bitan’i Cap Vert.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT