CAN 2024

Mbola tsy tafavoaka ny ala…


  • Talata 23 Janoary 2024

Tena mbola manjavozavo ny momba ireo ekipa lazaina lehibe amin'ity CAN 2024.

Iza moa no nanampo fa dia gisitra ao anaty ny vondrona misy azy i Tonizia izay mbola voatazon'i Mali 1 noho 1 indray ? Resin'i Namibia tamin'ny andro voalohany izy nefa ireto farany dia nomontsanin'i Afrika Atsimo tamin'ny isa mavesatra 4 noho 0. Tena mbola tsy fantatra ny ampitso satria na ny Cote d'Ivoire aza alina satria nangoron-damba, resin'i Guinée Équatoriale. Ao amin'io vondrona A io mantsy dia nahazo gana malemy i Nigeria satria nihaona tamin'ny Guinée Bissau izay nataon'ny rehetra fandehanana. Mbola andrasana koa anefa ny momba an'i Egypte izay tsy misy Mohamed Salah intsony satria efa nody any Angletera izy hanaraka fitsaboana. Hifandona amin'ny Cap Vert izay mbola tsy resy mihintsy mantsy ny Egyptianina. Raha nanao sahala aloha dia i Cap Vert sy Ghana no miakatra fa mbola miandry raha ho tafiditra ho isan'ireo efatra izay mitana ny laharana fahatelo tsara indrindra. Mbola miandry izany ny rehetra fa na izany aza efa mitsotrotra ny Senegal, Cap Vert ary Mali sy Maroc fa any amin'ny ampahavalon-dalana mifankahita.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT