CAN 2024

Laharana fahatelo i Afrika Atsimo


  • Alatsinainy 12 Febroary 2024

Tonga amin'ny tanjona niriany ny Bafana Bafana ka nahazo ny laharana fahatelo

raha nandresy ny RD Congo ny sabotsy alina tao amin'ny Kianja Le Felicia. Azo nolazaina anefa fa niezaka notazona baolina fotsiny ireto Afrika Atsimo ireto fa tsy nieritreritra ny hamono hany ka nisaraka 0 noho 0 ny roa tonta. Efa izay rahateo no nokendren'ny Bafana Bafana noho ny fananany an'i Ronwen Willians izay tena havanana rehefa tojo amin'ny fandakana penalty. Ratsy fanombohana anefa ny Afrika Atsimo satria dia tsy matin'i Mokoena ny baolina voalohany. Tany amin'ny fandakana fahadimy vao nosahalainy ny isa satria dia azon'i Williams ny dakan'i Chancel Mbemba ilay vodilaharan'ny Olympique de Marseille. Efa mety rahateo ny natao dia azon'i Ronwen Willians koa ny dakan'i Meschack nefa matin'i Xilu ny azy ka io no nitondra fandresena ho azy. Marihina moa fa mpilalao fito avy amin'ny Mamelodi Sundowns no mandrafitra ny Bafana Bafana ary misy koa avy amin'ny Orlando Pirates sy Witts University. Tena mampiasa toto-tanana izany ry zareo ary dia io ny vokany. Tena mafy ilay ekipa ary tsy nisy na iray aza sahy nanambany azy. Hain'ilay mpanazatra Hugo Boss rahateo ny mandrindra ny eo ambony kianja hany ka nahavita zavatra tena tsara ireo mpilalao Raha ny laza anefa dia tany amin'ny RDC no nahitana mpilalao tena avo lenta toa an'i Chancel Mbemba sy Bukambu. Fa tsy midika inona izany raha oharina amin'ny fahaizana miaraka.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT