CAN 2024

Ho sahirana amin'izay i Côte d'Ivoire


  • Alarobia 07 Febroary 2024

Anio alina no hotanterahina ny manasa-dalana eo amin'ny CAN 2024

Ekipa efatra efa samy tompondaka no hifanena saingy ny zavatra niseho faramparany teo no mety hanova zavatra. Hiteny mantsy izao ny rehetra hoe handresy ny Côte d'Ivoire izay efa nanilika ny Sénégal saingy hatreto aloha dia mbola misitery ny avoakan'i RD Congo na dia tsy eo intsony aza ilay rindrina be Chancel Mbemba. Nolazaina fa voa tany amin'ny fanazaran-tena ity vodilaharan'ny Olympique de Marseille nefa tsy fantatra na mody narary na nantsoin'ny OM taorian'ny fandresena farany nahazo azo nanoloana ny Lyon ny faran'ny herinandro. Mety tombony ho an'i Côte d'Ivoire no tsy maha eo an'i Mbamba saingy aza adino fa raofina amin'ny sobika koa ireo Ivoirianina tsy mijoro. Isan'izany i Serge Aurier izay kapiteny fa mbola tsy milalao koa i Odilon Kossornan sy Oumar Diaketé ary Christian Kouamé. Ho sahirana araka izany ny mpanazatra vaovao Emerse Faé handahatra ny sisa mahazo mijoro. Mby ao an-tsaina mantsy ilay faharesena 4 noho 0 nanoloana ny Guinée Équatoriale. Ny lalao alohan'io amin'ny 8 ora alina no ahitana ny Nigeria sy Afrika Atsimo. Mbola kilasiana mety handresy koa ho an'ny rehetra ny Nigeria izay misy poizina telo dia Victor Osimhen, Moses Simon ary indrindra i Lookman. Tena mafy ireo saingy aza adino fa mety hidona amin'ny rindtina koa satria i Ronwen Willians no mpiandry tsatokazon'i Afrika Atsimo sady mpiandry tsatokazo an'ny Mamelodi Sundowns izay tompondakan'i Afrika farany teo amin'ny isan-tarika Tena mahay ary nanoratra tantara vaovao satria izy irery no mpiandry tsatokazo nahavita nanakana baolina efatra nanoloana ny Cap Vert. Raha vao mandeha any amin'ny fandakana penalty izany dia efa veloma any amin’ny ankizy hoy ny mpanazatra Hugo Boss. Hiady ity baolina voalohany ity satria mety efa hitan'ny Afrika Atsimo fa ilay irakiraka Lookman no tena mpamono baolina fa tsy Osimhen araka ny lazany. Asa aloha fa mila mamono baolina mialoha raha tsy izany ataon'ny Bafana Bafana mahamay.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT