CAN 2024

Betsaka sahirana ireo ekipa lehibe


  • Alatsinainy 22 Janoary 2024

Hafa ity andiany faha 34 ny CAN 2024 ity. Mamaly bontana mantsy

ireo heverina ho firenena kely hany ka ho tra - doza ireo izay zatra fandresena. Tandidonin-doza hatramin'ny Côte d'Ivoire mpampiatrano izay laharana fahatelo ao anaty vondrona. Toy izany koa i Cameroun ary mety ho voatsoaka hatramin'ny moanazatra Rigobert Song aza araka ny kabarin'ny Federasiona, Samuel Eto'o fils. Mbola mijaly koa ireo firenena any Maghreb satria ankoatra ny Maroc izay voatazon'ny RDC salaha tamin'ny ora farany (1 noho 1) nefa vao maraina be i Achraf Hakimi dia nanokatra ny isa tamin'ny alalan'ny tolotra nataon'i Zuyech (6). Voatazon'ny Burkina Faso sahala 2 noho 2 ny Alzerianina toa an'i Egypte izany taty aminlny fanalavam-potoana fanampina vao nanasahala isa tamin'ny penalty i Mohamed Salah. nanoloana ny Ghana. Tsy misy ekipa madinka intsony hoy ny fiteny saingy ny marimarina dia lasa madinika ireo noheverina ho andrarezina. Hatreto aloha izany dia ny Sénégal no mbola lohalarana saingy andrasana koa izay asehon'ny Cap Vert satria samy tafita any amin'ny ampahavalon-dalana ireo firenena roa ireo.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT