CAN 2024

Be sanjila ny Ivorianina !


  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Rehefa tsy maty tamin'ny Sénégal iny dia mety tsy ho faty intsony ireto Côte d'Ivoire ireto.

Ny sabotsy teo indray dia difi-janahary no tsy nandresen'ny Mali azy. Mali anefa no nanokatra ny isa tamin’ny alalan'i Dorgelès izay tsara fahana avy any amin'i Samassekou (75). Taty amin'ny 90 minitra vao nanasahala ny Côte d'Ivoire no nampitovy ny isa teny amin'ny tabilao i Adinga. Nisy tolotra tena tsara nataon'i Fofana ho an'i Diakité (120+2)no nitondra ny fandresena ho an'ny Côte d'Ivoire makany amin'ny manasa-dalana izay hihaonany amin'ny RD Congo. Nanao hadalana ihany anefa i Diakité satria nanala akanjo ka nahazoany karatra mavo fanindroany izay nivadika mena. Tsy milalao izany amin’ny Alarobia izao izy sy Odilon izay nahazo karatra mena koa . Teo amin'ny lalao nihaonan'i Cap Vert sy Afrika Atsimo indray dia nisaraka samy tsy nitoko ny roa tonta. Fa teo amin'ny fandakana penalty no nisongadina ny mpiandry tsatokazon'i Afrika Atsimo, Ronwen Willians satria voasakany ny tifitra efatra nataon'ny Cap Vert. Zavatra mbola tsy nisy teo amin'ny tantaran'ny baolina kitra izany mpiandry tsatokazo nahasakana tifitra efatra izany. Samy azony daholo ny dakan'i Andrade, Duarte, Semedo ary Bebe. I Teixeora irery no nahafaty raha Mvala sy Mokoena no namono ny baolina ho an'i Afrika Atsimo. Hihaona amin'i Nigeria moa ireto Bafana Bafana ireto ny alarobia izao.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT