CAN 2023

Voatazona koa i Alzeria sy Cameroun


  • Alarobia 17 Janoary 2024

Hafahafa ity CAN any Côte d'Ivoire ity raha izao fandehany izao.

Tena tsy misy ekipa kely intsony raha ny lalao alatsinainy no jerena. Iza moa no nanampo fa ho voatazon'ny Guinée ny Liona tsy azo folahina avy any Cameroun. Nisaraka ady sahala 1 noho 1 ny roa tonta ary dia tsy nisy natokona ny Cameroun na dia efa nilalao folo aza ny Guinée. Tetsy andaniny indray raha noheverina fa ho isan'ireo mety handrombaka ny Amboara ny Fennecs avy any Alzeria dia voatazon'ny Palencas Negras avy any Angola 1 noho 1 indray. Ny Angola anefa tena tsy afaka tamin'ny Barea raha tsy nahavita nanao fahagagana tao anaty volana vitsivitsy. Saika mpilalao avy eo an-tanàna anefa no mandrafitra ny Angola miampy olona vitsivitsy any Portugal tsy dia hoe noho ny fahaizany fa noho ny fiteny mitovy..Zanatany Portugais tokoa mantsy i Angola ka voazanaka hatramin'ny fomba filalaony satria dia miala any amin'ny sisiny foana ny fanafihana entiny. Hatreto aloha izany ankoatran'i Sonegaly dia mbola tsy tena hita izay mafy be. Miandry izay afitsok'i Maraoka angamba vao mety mazava ny resaka.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT